Fantaro ny kolontsain’ny orinasa

Voir tous les témoignages

Tiana

Tompon’andraikitra ara-Teknika

Efa nandritra ny 28 taona aho no niasa tao amin’i AIGLE D’OR. Mpianatra asa Matières Premières sy Produits Finis no nidirako tao voalohany, Responsable Qualité aho avy eo, talohan’ny naha Responsable Technique ahy, andraikitra nosahaniko efa ho 8 taona izao.

Tena tia lamaody aho ary tena mahafinaritra ahy ny mahita ny asa noforoniko anaovan’ny olona. Liana amin’ny fivoarana ara-teknika sy ny teknolojia ny tenako ka izany indrindra no nahafahako niara-nivoatra miaraka amin’ny orinasa. 

Tany am-boalohany dia tsy nieritreritra ny ho lasa mpamorona mihintsy aho, fa satria ny fanombohana zavatra no hahatsapàna ny fitiavana azy dia nitsiry tsikelikely ny fitiavako izany tontolo izany. Nitaky ezaka manokana izany rehetra izany ; ka afaka mirehareha amin’ny lalana nodiaviko tato amin’i BASAN aho.